You are here: home > Vetso

TETO - Ventso

Azo vakiana?

Teto ambonin'ny alitara
No namaritany ny anjara
Niantsoany azy malala

Teto koa no niafara
Tsy nitohy ilay tantara
Iza moa no nahalala

Teto... ilay fo no nizara
Nefa tsy akory hoe voarara
Samy tia fa tsy sahala

03-08-17 12:29

Mombamomba

Mpanoratra : Ventso

Nampiditra : NiainaHasina
Daty : 25/01/2019
Mpamangy : 855
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tononkalo