RAHA............ (Verokely Fianaroise)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mijaly ianao anio
Na ao anatin'ireo olana
Tsarovy tsara, tadidio
Fa mbola ho avy ny diavolana

Raha sendra tonga ambony
Dia ny miondrika no mety
Fa raha itony fiainana itony
Dia toy ny kodiaran-tsarety

Raha manana toerana avo
Mba tsarovy ihany ny iva
Sao rahampitso ianao ho lavo
Ka hitsofan'olona antsiva

Raha mba manan-katao
Aza dia manao tsinotsinona
Satria raha handao izao tany izao
Dia tsy hitondra n'inoninona

Raha sarotra ny asa
Miezaha hatrany hatrany
Ataovy tsara ny lahasa
Fa hisy vokany izany

Raha mahatsapa ny mamy
Dia fadio ny miavona
Fa raha ny fiainana eto an-tany
Dia vetivety dia manjavona

Raha sendra ny mangidy
Miezaha hatrany hatrany
Satria tsy nisy nisafidy
Ny ho tojo an'zany

Raha mahazo fitahiana
Dia mahaiza mankasitraka
Ary raha nahazo izay niriana
Aza dia manitsakitsaka

Raha maro ireo olana
Aza dia mora ketraka
Tsy maintsy hisy vahaolana
Izay efa mba napetraka

Raha manao soa olona
Aza dia mirehareha
Fa mbola maro ireo tolona
Amin'reo làlana haleha.
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1318 2
Hevitra mandeha
nannie ( 20/12/2014 13:05)
Arakara-tarehy voa-javatra.
ANDRINIAINA1 ( 23/12/2014 01:42)
Mahay mampita hevitra sy hafatra tsara ny mpanoratra: tsotra, mahitsy, mora azo, ... mankasitraka, mankafy, ... mirary soa an'ilay mpanoratra ...
verokely Fianaroise ( 07/01/2015 03:57)
Mankasitraka anareo ihany koa ny tenako :)
fenohasimpitia ( 27/04/2015 06:49)
Efa tena azo lazaina fa manatalenta enao Madama a! tohizo fa tena tsara! le akanjo sy volo koa tena ts ratsy a + an-lé molotra rouge-kely!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Verokely Fianaroise
Nampiditra : verokely Fianaroise
Daty : 18/12/2014 12:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092