Ny Fiainako mahantra (Vetso-penomanana (Reiv_Fenomanana))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIAINAKO MAHATRA

Fa efa voaozona ve ny fiainako eto an-tany?
Voasoratra hijaly, sy nateraka hitomany?

Tsy mba misy fifaliana fa toa ranomaso lava!
Halahelo, hakiviana, no manoritra ny tava!

Aiz i‘lay maraina no tsy mba hita hantenaina?
Sa, ve, ka nandao e? nahafoy ahy tsotr’izao?

Inay anie aho mba tsy hary, raha nateraka hijaly!
Naleoko tsy nisy hatrany raha sento lava hitomany!

Fa saingy… ahy ve ny safidy higoka ny mangidy?
Asa! ny azoko faritana dia izaho no efa ratsy vintana!

Ny hafa anie jereo e! toa tsara sy miramiran-tava!
F’ity izaho kosa mitoreo! Toa manjombon-dava!

Ry fasana ô! Alaivo aho mba ho any!
Meteza ianao hanototra ahy ry tany!

Vonoy, koseho eto an-tany ny tantarako,
dia…
Aoka tsy hisy hahatsiaro akory ny anarako!

Fa mahantra aho…

Vetso-penomanana, le 18/10/2022
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - fiainana
402 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vetso-penomanana (Reiv_Fenomanana)
Nampiditra : Reiv_Fenomanana
Daty : 16/02/2023 06:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009