NY EO ANILANAO (Vetsomamiratra)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny minitra iray eo anilanao, dia fotoana mamy aok'izany
Fotoan-tsarobidy indrindra, tsy mety lany mamy
Ilay fotoana iray tsy tiako hifarana fa hitohy lalandava
Ilay fotoana mamiko indrindra sy mahamiran-tava

Ny eo anilanao ve? toa fotoana volamena
'Lay hany mampisokatra ny saiko hiandrandra fandresena
'Lay manosika ny foko hihavao fitia isanandro
Satria ny eo anilanao, dia baliaka foana ny masoandro

Ianao mantsy, ilay anjely mpanazava ny diako
ilay mpanohana ahy raha lavo, antoky ny fifaliako
'lay diamondra tokana, tsy misy mahasolo
Mpanjakakelin'ny foko, 'lay nahababo ny amiko tontolo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
323 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vetsomamiratra
Nampiditra : vetsomamiratra
Daty : 02/11/2023 06:50
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2072