tsy maty fa natory (vetsomiangola)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
rehefa iny ianao mandrevirevy foana
tsy ahitana teny fa toy ireny moana
mandefa ny vinany ,any ambadika any

rehefa iny ianao manakatra ny lanitra
tsy mijery akory hafatsy ny hanitry
ny vonin'andro anio sy ny rivotra madio

tsy mahafantatr'olona fa toa irery ihany
misento tokana, manembona azy any
mahatsiaro tampoka eo, mahare indray ilay feo

feo mamangivangy anao an-tany lavitra
nanjary namana nandrava indray ny rafitra
fa nameno indray anao tsy mahita atao

iny ianao no misedra ny heritreritra
miady fihetseham-po tsy hahatsiaro azy akory
fa toa mitady aretina entina handrehatra
ilay afom-pitiavana:tsy maty fa matory
--------
Rohy:
948 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vetsomiangola
Nampiditra : vetsomiangola
Daty : 27/09/2006 07:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128