Ilay fotoana tahak'izao (Vialy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ontsa kely ery ny foko
Mahita anao toa mitakoko,
Mihafihafy, mahonena,
Fa toa mampahory tena…

Asa raha mba tsaroanao,
Ilay fotoana tahak’izao…
Isika roa nifankahalala,
Akizy revo lalao an’ala…

Tsapantsika ny hasambarana,
Tsy nisy nihevitra ny hamarana,
Ilay fotoana tahak’izao
Nifanenantsika sy ianao.

Boribory moa ny tany,
Misy ambony misy ambany.
Ny sedra mety ho avy,
Ny tantara mety ho rava.

Narary aho, nanganohano,
Ny tavako, avy eo, feno rano…
Nefa tsy nivakianao loha
Fa fahafinaretanao tokoa.

Nihiaka aho, niantso mafy,
Niantso anao mba hampitafy
Ity foko nangatsiaka…
Indrisy, tena ts’isy fika!

Dia nangina aho tsy niteny,
Ampy ahy tokoa ireny…
Ny ho avy, hoy aho, no hatsaraina
Ka hiandrandra ilay maraina.

Kanjo ianao tonga indray
Nitady mafy ahy.
Fa tsy noraharahiako akory
Navelako teo mba ho ory.

Dia nitalaho, dia nitalaho
Ny hiverenako aminao,
Nampanantena be dia be
Fa ianao dia hiova e!

Ka noraisinao ny tanako
Hoy ianao: “ianao no anjarako,
Handao hamadika ny rasa,
Eny, nanenenako ny lasa…”

Dia indro ianao nipitrapitra,
Toa zaza bedy nohon’ny ditra!
Nandifotra ahy ny nijery,
Ny nijery anao nanirery.

Tsy ho haiko hadinoina mantsy
Ny lasa, fa tsy ny ratsy,
Fa ilay andro nahalalako anao,
Dia ilay fotoana tahaka izao…

Ny fidoboky ny foko,
Dia manafoana ireo toloko;
Mameno ahy indray ny hasambarana,
Ny fahoriana dia nifarana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
975 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vialy
Nampiditra : vialy
Daty : 17/01/2013 16:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014