RESA-PESIBOKY (volan-tantely)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RESA-PESIBOKY

Asa na hanao ahoana ny tohin’ny tantara
Fa tsapa tato ho ato hoe lasa be kafara
Amin’ny resa-pesiboky
Ilay malalanao
Ka tsy misy intsony toky
Sy teny mamimamy fa ady lava izao.

Dia asa na hanao ahoana ny fifandraisana ao
Fa ny hita tato ho ato dia tsy mety mihavao
Ilay voady izay nomena
Hatramin’ny fahiny
Sy ilay fifanekena
Fa lasa fifanomezan-tsiny
No betsaka isan’andro
Na maraina na antoandro.

Ka asa na hanao ahoana ilay hoe hivady
Fa ny heno tato ho ato dia lasa be ny ady
Sy ny tsy fananan-toky
Noho ny resa-pesiboky.

volan-tantely
17 febroary 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
868 2
Mpakafy: sandra03 - celestinmyrai
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 22/02/2020 09:36)
miezaka kely ianao dia tafavoaka!
fanitsina kely: ny hoe anahoana SOLOY HOE anao ahaona?
raims randriamalala ( 24/02/2020 14:51)
izao mihitsy ary marina dia marina ity tononkalonao ity, mankasitraka e! tsara fa tohizo misaotra o!!! :)
sandra03 ( 25/02/2020 09:35)
misaotra indrindra!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : volan-tantely
Nampiditra : sandra03
Daty : 20/02/2020 09:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155