Sakaiza fahazaza (Volana Hasimalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAKAIZA FAHAZAZA

Zandry foana hatrizay
Io no niantsoanao ahy
Ianao noraisiko ho zoky
Fa ilay sakaiza nahatoky,
Dia nifanjohy hatrany isika
Ka niaraka teny foana
Na ny andro nangatsiaka
Sy ireo oran-dohataona.

Dia nolazaiko anao daholo
Ny hafaliana sy alahelo
Tsy nasiako fanahiana
Mpinamana nahavariana.
Ireo tsiambaranteloko aza
Notantaraiko tsisy banga,
Naharihary anao daholo
Izay tato ampoko manontolo.
Rehefa tezitra iny anie aho
Dia taminao no niantefany
Ny fahoriako, ireo talaho
Niarahantsika nitomany.

Kinanjo nony tato aoriana
Ireo fihetsikao dia nahavariana,
Nisarisary toin’ny tia
Ka nampahatahotra ahy ery.
Dia fahasahiana tsotra izao
Tsy nasianao fanenenana,
Nilaza ho tena tia ianao
Ka vonona ny haka toerana.

Hagagana sy alahelo
Minitra iray toin’ny helo
Ilay naha-mpinamana hatrizay
Nofonoisinao tantely hay sakay.
Nirotsaka eny ny ranomasoko
Naratra izato foko kely,
Adalana hoy ianao
Nihodina nihomehy irery.

Hoy indrindra mantsy ianao tamin’izay :
« Tena tia aho matoa nikiry
Nanaraka ireo sitrakao,
Nikolokolo, nitahiry
Nanjohy sy niaro anao.
Dia ho avelako amin’izao,
Ho voa tohazany ianao ?
Ireo fahadiovanao rehetra
Nambenako eny tsisy fetra.
Folo taona ngarangidiny
Nafoiko ireny ho anao,
Fotoana mamy hay tsisy vidiny
Ankehitriny nolavinao. »

Indrisy !
Dia tsy haiko izay hambara,
Faniny aho sy toin’ny adala,
Sady jamba no marenina,
Moana tsisy hotenenina.
Hany heriko : nanakipy ireto masoko
Nanangona ny herin-tsaiko,
Veloma ianao ry nolalaiko
Ry zoky tiako tsy ho voasolo.


Mpanoratra : Volana Hasimalala
--------
Rohy:
1214 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volana Hasimalala
Nampiditra : Hasimalala
Daty : 30/03/2024 17:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129