Serana (Vololona)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noseraninao indray ny tontoloko androany
Noseranin'ilay tsiky toa mampanantena hatrany
Fa tsy foana ny fitia na ho raraka ny sandany
Na dia hoe minitra vitsy no mba hany isambarany

Zary toa tsy hay intsony izany hoe : fahabangana
Raha ilay fitopinao dia efa ampy hanafana
ny ato anatiko mangovitra, hovitra mangetaheta
ny ho eo an-tratranao.... ary eo no hitoetra...
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
958 1
Mpakafy: Mimine
Hevitra mandeha
Malalason ( 13/10/2004 15:56)
slt! ahoana no nahalalanao fa hiserana ato aho , raha sitrakao de hijanona aho tsy asiana hoe nahoana!!!!!!!
zà ihany R. JO
Mimine ( 13/10/2004 16:14)
Mijanona ary e dia tsy atao "serana" intsony amin'izay fa tena "hijanona". Sa ahoana ?

Mimine
NyKanto ( 13/10/2004 17:06)
Aza avela hiserana fa tonga dia ataovy toy ny tsipolitra, vao miseranaka mahalasika anao dia hazony!!! hihihi
Ny Kanto.
Malalason ( 14/10/2004 07:03)
de zay 'zany raha izay no sitrakareo dia miandry ny tohiny aho koh , aia ny fotoana ? R. JO
Mimine ( 14/10/2004 11:18)
Sao dia aloha loatra ? sady zah ve tsy efa fantatrao e?
Malalason ( 08/11/2004 12:59)
za ary mieritreritra hoe sao efa tara loatra koh, ianao rahateo tsy mbola tena fantatro, izay no angatahako RDV aminao de ataon-tsika ny présentation sa ...??? ok!
Mimine ( 11/11/2004 16:53)
Ho an'i Malalason,

Dia andao ary hihaona e, dia fixer-o fa zah miandry fotsiny. Dia ahoana no ifandraisantsika ? sao dia tokony asiana discrétion kely ?

Sur e !
Malalason ( 09/12/2004 08:21)
eny ary hitan'ny Mi tongava eny @ complex ampefiloha @ fivorian'ny serasera @ 18/12/04 fa ho eny aho, ity ny adiresy mail-ko rjoglacier@yahoo.fr na antsoy ny Tél 033 14 607 25, ny mail-nao sisa mba omeo ahy dia any miresaka lava be zayyyyy! ok ary e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vololona
Nampiditra : Mimine
Daty : 13/10/2004 14:19
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138