You are here: home > Vetso

Mifona - Vony Harinoro

Azo vakiana?

Saika vaky ny foko
Tamin'ny vao tia anao
Tsy nilaiko ny hambompoko
Satria roboka aho

Nanadino ny nanaja tena
Satria efa nanantena
Fa ho mandrakizay
Izay fitiavako izay

Lavon'ny rendrarendra
Ka nivadika tamin'ny teny nomena
Niezaka aho nanova fo
Satria tsy mendrika tokoa

Ny teny fanevany fitia
Antsika roa irery
Nankafiziko satria
Fitiavana daholo ireny

Nefa mifona aho ry malala
MamelĂ  ahy hiala
Tsy anjara angamba ianao
Satria tia tena aho?

Sokajy : Fitiavana, Hambom-po

Hevitra mandeha

bozzy (14/01/2008 18:14:16)

tsy azoko ilay hoe ahitsio
efa mifona ve dia ahoana indray? vehivavy mifona noho ny famitahana bandy indray izany ianao
hazavao hoe dia ahitsy raha toa kah...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Vony Harinoro

Nampiditra : tashaa
Daty : 21/12/2007
Mpamangy : 1319
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mifona