You are here: home > Vetso

Aiza - Vouromanga

Azo vakiana?

Aiza ihany ilay mpandimby
ity toerako androhany?
aiza izy, aiza izy?
tsy mapitsaha- manontany.

Aiza ihany ilay ora
tokony ivoahako ato
sa andeha hitsoaka moramora?
nefa sao voatora- bato.

Aiza? moa mba efa akaiky i?
sa vao mikosomaso koa.
izaho kosa aloha tsy anaiky
raha izany no tokoa.

Aiza,aiza foana?
fa ny olon-tiako ao angamba...
mety mihevitra ahy mivoana
ka ho tezitra ao foana.

Aiza ianao ry ao ambony
tario saina re 'zahay
omeo fo madio sy tony
fa mitovy ny AIZA anay.

VOUROMANGA (sasa-miandry an'ilay mpandimby toerana eto)

Sokajy : ahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Vouromanga

Nampiditra : Vouromanga
Daty : 03/10/2016
Mpamangy : 597
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

maty aho
Izay no izy
VONJEO
Iny ianao iny
Tsy foinao
MANINA
Vao....
I Vouromanga