Bira (just_a_dream)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aty antany lavitra aho, no manembonembona
Ilay tanàna kely, izay nahitana fahasambarana
Mbola tadidy avokoa, na dia taona maro lasa izay
Tsy ho adino nahoviana, ianao ry bira maminay
Nahitana fifaliana, sy fahatsiarovana tsy lany
Nahitana ireo namana, tsy ho adino any ho any
Tsy izaho irery angamba, fa ireo rehatra niaina tao
Manembona, tsy mahafoy, raha nandaho toa ahy izao
Tsy maintsy iverina nefa na ho ela na ho aingana
Ahita indray ilay tanàna,ilay bira kely malala
--------
Rohy:
1033 1
Mpakafy: younja
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : just_a_dream
Nampiditra : younja
Daty : 02/07/2013 06:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1293