MALALA (ZAKAINANAVALONA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALAAmpy nahafantarako ny momba anao ; eny ampy
Ilay minitra monja kely ! nahalalako anao .
Ampy nahafantarako anao , eny na tsy ho tanty !
Ilay kely izay nitoerako , ninia nolavinao .
Ampy nahafantarako ny misterinao…
Ny masoko mijery…
Ilay fonao mbola tia, fa… ;
Ninianao nafenina tanaty fankahalana .
Eny , ampy inoako ny tianao lazaina ;
Ny eritreritreo manjeny
Ilay masonao mamikitra toa vahotra mijery
ndry !!! toa tsy tohako ialàna
Ampy anekeko ; eny ; ampy hifaliako ny nahalalako anao
Na minitra kely monja aza , tsy neniko mihintsy
Fa eny , tiako ho fantatrao
Fa na oram- batravatra , arahin- tafio-drivotra
Manakana ahy tsy hahalala
Dia tohako ao anatin’ny masonao mamikitra
Ilay fitia tsy misy mahalala
--------
Rohy:
Sokajy :
MARSA 2024
Hevitra mandeha
hery
(
15/03/2024 18:34)
Iza amin'ireto ny tononkalonao dia iza ny anaran'ny mpanoratra?
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : ZAKAINANAVALONANampiditra : zakainanavalona
Daty : 15/03/2024 05:41