You are here: home > Vetso

Indrisy... - zana-javatra

Nantsain'i
ikalamako

indrisy natao ho malala
nankaiza lay nantenainao ry foko
nisidina va sa niova loko?
nofinofy toa tsy mampino...

indrisy natao haharitra
nankaiza lay niankinanao ry foko
nisidina va sa leon' ny toloko?
nofinofy toa tsy mampino...

indrisy natao ho doria
nankaiza lay notiavinao ry foko
nisidina va sa leon-drotoroto?
nofinofy toa tsy mampino...

indrisy ry foko mbola tsy mino
nankaiza lay notiavinao fahazaza
nisidina izy ka aleo manadino
ny fiainana koa mbola ho lava...





Sokajy : Fiononana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : zana-javatra

Nampiditra : betsileolahy
Daty : 22/02/2014
Mpamangy : 894
Mankafy : 1