Nosy Mamiko (zandrikelytf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola velona aho, miaina eto an-tany
N’ aiza n’ aiza, na any lavitra any,
Na oviana na oviana, na any aoriana
Tsaroako foana ianao, ‘lay nosy niaviana

Raha mbola velona aho, manampofon’aina
Tsy very tadidy fa mbola manantsaina
Isan’andro, isan’ora, isam-potoana
Ianao ry nosy mamiko, tsaroako foana

Malalaka be anefa izao tontolo izao
Nefa miavaka foana ianao
Nosy mahafinaritra tokoa
Ianao ry Madagasikara soa

Ny lazanao miely maneran-tany
Betsaka mpitady, maro mpanontany
Ianao’lay nosy efa voafidy
Feno ireo Harena sarobidy

Ny hakantonao maha-te ho tia
Hanadino anao aho, sanatria
Tanindrazana tsy manampaharoa
Ianao ry Madagasikara soa
Zandrikely tf
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : zandrikelytf
Nampiditra : zandrikelytf
Daty : 11/08/2010 18:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092