Sera maika (Zazangaly)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy amin’ny sasany
Sahy mamarotra ny zanany
Amin’ny rangahy efa sola
Nohon’ny fitiavam-bola…

Misy ihany koa
Ireo tsy noterena
Fa dia nanolo-tena
Hivarotra ny entany
F’izay no efa “serany”,

Angamba tsy dia sitra-pony
Fa mety hoe tsy misy intsony
Ny ividianana sakafo
Izay sandaina lafo
Dia ny nofo no ahofany
Mba hanafaka ny trosany.

Fa mbola betsaka ny sazy
Izay miandry azy
Ao ny hofan-trano
Sy ny vidin-drano
Ny jiro etsy an-daniny
Mbamin’ny vola notrosainy
Izay tsy maintsy hefainy
Satria moa ny rainy
Naiditra any am-ponja
Noho ny ady lova
Ka ritra tsisy intsony ny teo am-pelan-tanany
Efa tapitra namidy hatramin’ny fananany…

Dia tahaka izany foana
No iainany isan’andro
Saika toa mandavantaona…
Ka hasambarana manao ahoana
No andrandraina mba ho hitany?
Sera maika izao no hitany sitrany!
--------
Rohy:
382 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zazangaly
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/07/2022 13:25
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101