... (Zokiolona Voafonja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Roapolo taona ny sazy efaikoFito ambin'ny folo no vitako tato
Kanefa tsy foana ny fanantenako,
Fa ho avy ny ora sy ny daty hialako.
Lasa ny saiko, tonga hatraiza,
raha mivoaka ato moa izany dia mba ho aiza ?
Ny vadiko izay any efa manan-tsakaiza,
ary ny zanako... Izaho angaha nitaiza ?
Miangavy ny filohan'ny Fanavaozana
Mba iantrao e, ity Dada mitsitaozantaozana.
Tena mivavaka mafy tsy miato,
mba tsy ho vatam-paty no haka ahy ato.
Dodona loatra aho maika aok'izany
Mba te hiaina eny ambonin'ny tany,
mba hendry ihany aho raha mihoatra ny ankizy,
Nahoana aho no tsy mba mahazo remizy ?
Zokiolona Voafonja
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zokiolona VoafonjaNampiditra : iheriarilala
Daty : 24/06/2026 14:52
