HAFATRY NY MATIKO… (Zoky Habib)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRY NY MATIKO…

1.Fandalovana ny tany, ny rehetra no manaiky.
Fa ny amin’ny antony handalovana no maro ny taraiky.
Tsy misy tanjony avokoa va izay zava-nohariana?
Ka nahoana izay toriana no ataonao mahavariana?

2.Hoe raha nasaina tonga eto isika tsy hiala voly.
Izany indrindra anefa no tena voizin’ny devoly.
Zava-maro mahafinaritra no afafiny ombieny.
Na tsy tsapanao mivantana aza, fandrika ireny.

3.Ka ny kely izay mba fantatro no zaraiko ho anao etoana.
Ny fanomanana ny ankoatra mba anokanonao fotoana.
Mbola hanenina avokoa na mpanao soa na mpikomy.
Hoe tahak’izay nanao bebe na koa tsy nanao an’itony.

4.Fandalovana ny tany dia inona ary ny manaraka?
Rehefa maty ka alevina ka ny nofonao hiraraka.
Moa dia tapitra hatreo samy vita samy miala?
Moa ilay Nahary anao tety tsy misy atao ve sa adala?

5.Ka raha tahiny tokoa moa misy tanjona ny fiainana.
Inona avy izy ireo dia firy ny mba novitaina ?
Dia raha misy tokoa moa fitsarana izay natao?
Rehefa hatsangana amin’ny maty inona no havalinao?

6.Amin’izany andro izany tsy mba misy ho afa-bela.
Hatao ankety avokoa, tsy misy ho hadino na tavela.
Izao rehetra vita izao hasaina hoe mba azavao.
Ny rehetra dia ho gaga, hay ve ka nisy izany tao?

7.Hibaribary eo avokoa izay nafenina rehetra.
Na ny ratsy na ny soa am-pamoaka tsy hisy fetra.
Dia hilatsaka am’izay ilay didimpitsarana.
Hoe nohon’ny tsara kely iray, ireo fahotanao ho fafana.

8.Izaho manoratra an’ity mba niezaka nijery.
Hoe inona avy no mba vitako, toa tsy hitako fa miery.
Hany hevitra mba takatro ny mampitandrina izay hino.
Na dia bitika azy ity antenaiko tsy ho hadino.

9.Ka rehefa izaho no voaantso ka tsy hahita havaly intsony.
Hitanondrika amin’ny tany miandry ny famindrampony.
Dia mba ho anisan’ny hanavotra ilay teny mba zinara.
Hoe mba nisy ny nihaino ka nilofo amin’ny tsara.

10. Fandalovana ny tany ka rehefa izaho no tsy rere.
Aza ataonao manaitra, mety efa lasa ka nandeha.
Mety tapitra fetr'andro ka aza dia itomaniana.
Fa raha nitia ahy ianao, mba ivavaho am-pitsikiana.


Zoky Habib - 09092022
--------
Rohy:
659 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Habib
Nampiditra : AbouNusrayni
Daty : 09/09/2022 12:22
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149