Hevitra momba ny MBA VOLANA, HONO, AHO KA VOLANA...!
Hiverina amin'ny MBA VOLANA, HONO, AHO KA VOLANA...!
kolesy (
04/05/2010 12:52)
Volana mazava
Sady koa tomaratra
Toa jerinao hatrany
Misavika ny soroko
Na dia satriko aza
Aharitra ny taratra
Tsy mba lefy izany
Tsy hangina, koa ny molotro
Raha mbola misy koa
Volan'ny mpifankatia
Tsy maintsy isika roa
No hataony litania...
Sady koa tomaratra
Toa jerinao hatrany
Misavika ny soroko
Na dia satriko aza
Aharitra ny taratra
Tsy mba lefy izany
Tsy hangina, koa ny molotro
Raha mbola misy koa
Volan'ny mpifankatia
Tsy maintsy isika roa
No hataony litania...
Zozoro (
04/05/2010 16:57)
Ritsohany mangina
Ilay litania mahalina...
Ka satry foana ho henoina
sy tsy tiana ho adinoina
Fa lasa kalo mamy
ankafizina aoka izany
Ka vetesiny mangina
rehefa anilan'olo-tiana...
Ilay litania mahalina...
Ka satry foana ho henoina
sy tsy tiana ho adinoina
Fa lasa kalo mamy
ankafizina aoka izany
Ka vetesiny mangina
rehefa anilan'olo-tiana...
