Hevitra momba ny VELOMA

Hiverina amin'ny VELOMA
pissoa ( 08/09/2011 15:57)
"Tsy neniko nefa, Lala o ! ny nitia anao
Nafonja sy ngeza na dia kilalao
Voaloham-pitia, toy ireo nofy tsara
Rava satria tsy mbola anjara"

Vola sy Noro

Atao veloma nefa raha mahita an'izao ve izy tsy hiverina indray hi hi.
Zozoro ( 08/09/2011 18:45)
pissoa a!

Angamba efa lasa lavitra izy pissoa a! tsy omena tsiny fa aoka hahita izay tadiaviny sy fantany fa mety e! Ary hoy ilay ilay mpanoratra iray tena ankafiziko sy deraiko tokoa tokoa, tena tiko be ity tonokalony ity izay milaza hoe :

< mety tsy mandeha amin'ny filaharany izy ity, ary mety tsy ampy koa nefa soratako ihany hi hi hi >

" Tsy asim-panenenana akory ny lasa
Tsy asina alahelo ny zavatra vita
Fa hoatry ny lamba niaraha-nanasa
Tahaka ny rano niarahana nita.

Ny taona efa lasa dia lala-nombana
Tsy arahana fondro, tsy arahana tsiny
Nna ritra aza re ny fihantahantana
Dia mbola tsarovako izany fahany

Na bonga aza sisa no anaty tanana
Na rava aza, hono ny trano rehatra
Ny tany nitoerany
Dia mbola tomraoetra.

Tsy fongotra akory ny hazo kapaina
Ny raviny foana no raraka an-tany
Ny tahony angamba no mety ho maina
Ny fakany kosa dia mbola ao ihany.




volana1 ( 15/09/2011 12:25)
Mahereza e ! raha anjaranao iny mbola hiverina, avelao ny fotoana handeha dia zory ny lĂ alanao isanandro fa raha anjaranao iny mbola hiverina.
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0096