Hevitra momba an'i Nosy Malala

Hiverina amin'i Nosy Malala
hery ( 02/03/2023 22:42)
Misaotra fa mahafinaritra ny tononkalonao
TononkaloNM ( 03/03/2023 19:58)
Misaotra tompoko.
Ianareo no tena isaorana manome fahafahana, hizarana sora-tanana, amin'ny ankahalalahana....
Mankasitraka sy mankatelina indrindra tompoko.
hery ( 18/03/2023 15:51)
Tokony mba asianao antsa miaraka aminy koa ara. Mahafinaritra ery ny tokonkalo rehefa asiana feony :-)
TononkaloNM ( 21/03/2023 09:11)
Tena marina izany, sady manantalenta amin'ilay izy koa ianareo mpikarakara ato.

Injao manakoako,
Ny feon' Ikalamako,
Mamaky tononkalo,
Nosoratan'ny mpandalo.

Dia lasa ny saina,
Toa miara-miaina,
Amin'ny tantara,
Voasoratra, voambara.

Ikalamako amin'io,
Miantsa amin'ny fo madio,
Tsy ary misy tambiny,
Fa nomeny tamin'ny androny :)

Mankasitrako tompoko รด !
hery ( 21/03/2023 14:55)
Hihi. Ianao mihitsy koa no mamaky ka. Mety ve?

Tsara ilay tononkalo ho an'ikalamako fa misaotra
TononkaloNM ( 22/03/2023 16:02)
Mety ka, atao miadana :)
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114