Hevitra momba ny Eritreritra Fahavaratra

Hiverina amin'ny Eritreritra Fahavaratra
hasiniony ( 10/06/2006 11:18)
Ny sangan'asa toy itony no andrasana amin'ny mpanoratra vao misandratra ankehitriny... tsy miady rima fotsiny, tsy kilalao teny fotsiny, fa ny misy izay nafenina na ny tsy misy noforonina. Ary ho antsika tanora dia tokony hahatakatra mandrakariva fa tsy ny fivaivain'ny hevitra nohon'ny fahatairana fotsiny no en-titsika mandoko ny tontolo tiantsika hanana endrika kanto, fa ny fipasoaha azy ireny halama tsara ao anatin'ny HEVITRA ANTITRA DIA ANTITRA, sakana lehibe io ary tsy ho tody amin'ny tanjona isika, raha tsy ialana ny raikitapisaka!
MAZ RAMANA ( 21 ora lasa)
Miombon-kevitra @hasiniony! Enga anie mba ho tsapan'ireo vao misandratra fa manahirana ny maso sy ny fo amin'ny maha-mpanoratra ny mahita Tononkalo miompana amin'ny kivazivazy sy fahataitairana fotsiny amin'izao fotoana izao. Indrindra ireo mivarina amin'ny vazivazy vetaveta, ka toa ny fanaitairana ny sain'ny mpamaky no tanjona fa tsy ny hafatra. Tsy ratsy ny mampihomehy na mampita fihetseham-po, fa rehefa mihoatra ny hevitra ny vazivazy ary ny fahatairana no solon'ny hafatra, dia very ny maha-soratra azy.
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0147