Fitia deradera (Zoky Eric)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia vao niantomboka
dia dedaka sy tretrika ianao
fa hoe efa nasiana fitomboka
ka ho mafy ilay fitia vaovao

Tsy nampoizinao anefa le izy
satria nihevitra ianao fa hilay
nahariharinao tamin'ny ankizy
ka nampijaly ahy sy nampikolay

Sambany nitia lahy ianao
ka tsy mahalala izay hiseo
nanenenako hatramin'izao
ilay bitsika tamin'ny feo

Tena aleo ry malala ho fafana
ilay fitia nataonao deradera
ianao toa olona sanana
tsy mba nandinika tsy mba niera
--------
Lien:
997 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147