HAFATRA (Zoky Eric)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nankaiza izato aingan'ny fanahy
Ry Poeta namako, vavy sy lahy
Tsy maintsy ho lazaiko
Fa tena mankarary ny aiko.

Mankarary ny aiko ny mahita sy mandre
Ireo asa soratsika mivangongo maro be
Nefa indrisy mantsy
Fa toy ny tsatok'antsy

Manindrona ny foko, mandrotika ny aiko
Fa nahoana ianao ry soratro no tsy mba nohajaiko
Na tantara na angano
Toa manara-drenirano

Moa ve ny asa soratr'ireo vahiny
Dia azotsika adika indray ankehitriny ?
Dia atao mazava ny sonia
Hoe asa soratro ity.

Tantaran'ireo vahiny no mody adika sy soloina
Velomina , ampiana feo mba ho henoina.
Alefa anonja-peo
Dia hoe sanganasatsika ireo.

Tsia,Tsy poeta mihintsy izany
Fa mpandika fotsiny ihany.

Mialatsiny raha manindrona ny teny voalaza
Fa ny tiako hampitaina ry mpanoratra malaza
Dia ny hafatry ny asa sora-tanako
MAMORONA re rahavako.
--------
Rohy:
352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 14/04/2023 07:07
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105