Mivavaka ho azy.. (kanto sarobidy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô,

Tsy hanome tsiny raha toa aho manontany
Fa mafy sy tsy laitra ny fiainana eto an-tany
Anatiny aok 'izany ity fo miriaria
Henoy ny vavakay ry Raiko be fitia..

Tsy tonga mba hitsara,satria tsy anjaranay
Na mioloka mafaitra,mangidy sy mamay
fa kosa hitalo, hangataka aminao
Ny sitrapo toavina ,izay rehetra azo atao

Ry raiko be fitiavana sy be ny fitserana
Anao ny didy tokana, anao ny fitsarana
Topazo maso kely ,lay tiako fa nandao
Izay tsy sitrany fa kosa tahio raha sitrakao

... ny fiainany rehetra..
...ambino tsisy fetra
--------
Lien:
1207 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143