Maloka... - kanto sarobidy
Azo vakiana?
Ireo kinta-mamiratra kanto eny ambony
No any sisa mitsilo, ty lalan'ny foko
Manamby ny tsara sy ratsy tsy ho tony
Miventso mangina manala toloko
Ny taratrin'ny alina tsy hay hazavaina
No namana toka-tsakaizan'ny tiana
Ny firafin'ny foko mangataka ho hajaina
Amin'ireo ratra, izay nizakam-pijaliana
Ny rivotrin'ny alina, mba naman'ny sento
Dia tsara fitsoka fisioka milanto
Mandrindra ny hira kaloina ho vetso
Mandamina am-po, ireo ratsy ho kanto
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : kanto sarobidy

Nampiditra : kanto01
Daty : 15/11/2017
Mpamangy : 723
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
N'ovina ka n'ovinadia tsMivavaka ho azy..
raha mba fantany..
i..Neny
Anatr'i dada
Nofinofy
Fitia
Tsiaro
Henjim-pitia
Ny fitiavana...