Meloka? (Ny Ando)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MELOKA?

FO:
Ho meloka àry ve ny foko
raha mioko,
miziriziry
Tsy mety miala fa mikiry;
Mitady hisisika hiraika
mitady paika
mba hisonanina
Amin'olona tsy manina?

SAINA:
Angamba tsy ho meloka izy
fa tsy ankizy
Ka tsy hahalala
Fa tsy tena ho fo adala.
F'ianao izay miavonavona aminy
nefa maminy
dia tsy ozoniny
F'aleony izy ihany no ononiny.
NY ANDO
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo - Fitiavana
1854 1
Fans: rafilozofy
Commentaires
crrlanto ( 07/09/2004 21:38)
mahafinaritra be ilay tononkalo,na dia eo aza ny bitsiky ny fo ,dia voafehy ihany izany satria eo ny saina ,nefa matetika ny fihevitry ny fo tsy takatry ny saina ka mety handratra , misoko mangina toa afon,apombo,olon,ny fo ny mpanoratra,eto..fa mihezaka manohatra ilay baiko tsy hay tohaina.
rafilozofy ( 08/09/2004 05:40)
Misaotra naneho hvt ry crrlanto, fiainana koa ange izany e. hitanao ihany moa: Na tia aza tsy afaka hisolelaka; fa ny ala-nenina aloha no atao fa rehefa tsy anjara moa dia izao no tsy maintsy iafarany. Tsy mahazo mamoifo fotsiny sao hihomehezan'ny Kil. Sa ahoana hoy Toi?
felandefona ( 03/07/2009 08:24)
marina izany
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ny Ando
Inséré par : rafilozofy
Date : 07/09/2004 16:59
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138