TOLOM-BAHOAKA (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOLOM-BAHOAKA




Mandeha ihany ny tolom-bahoaka
mandra-pahazo an'ireo izay takina
fa tsisy misaina ny mba hitsoaka
na koa hiala, n'oviana n'oviana.




Mitohy ihany ny tolom-bahoaka
mandra-piovan'ny zava-drehetra
fa tsy ho kivikivy na hitady toaka
hanadinoana ny sento sy tsetra.




Miorina ihany ny tolom-bahoaka
mandra-pisindan'izay ady mafy
fa tsy matoritory na mamoaboaka
lainga nambarany ho efa nafafy.




Miasa ihany ny tolom-bahoaka
mandra-pirodan'izay fanjakana
fa tsisy manaiky ny efa napoaka
sy gejagejainy ho azy, mazàna.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
706 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 30/06/2017 23:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143