You are here: home > Vetso

Eritreri-dririnina, - Antsa tononkalo.R

"Eritreri-dririnina"

Ny andro tomoetra dia merika lava,
ny dridran'ny tsy mety mamoy
Ny eriteritra foana no manavatsava...
Mikotrika nofy tsy mety mba foy !

Ny erika nefa misoko misoko,
mamorona zavona tsy ahita-mazava
maniteraka haizina anatin'ny foko
Eritreritra ihany mikiry hoe: tiava.

Ny dridran'ny foko efa mila ho lava
Tsy mety lembenan'izay zavon-tany
ny erika anefa tsy mety misava
Eritreritro sisa mankany, mankany...

Ny andro tomoetra manerika foana,
ny dridran'ny foko tsy mety mamoy
Eritreri-mikarok' ilay lohataona...
Mandrapiandry, ny nofi-ko foy.


Antsa Tononkalo.R 05/2019

Hevitra mandeha

03314 (18/05/2019 17:40:15)

manaiky lesy aho ralahy a! tena kanto e! (Joda.R) ihany

Hametraka hevitra

Midira aloha