"AZA VARIANA" (Daniel.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza variana ianao
Fa ny fiainana mandalo
Ialao ireo ota be fanao
Ny devoly tsy mimalo

Rendrarendranao taloha
Ireo adalana maro loko
Aleveno fa tsy soa
Malahelo anao ny Tompo

Aza dia variana loatra
Amin'ny zavatry ny tany
Na sigara na ny toaka
Fa ny revy tsy ho lany

Aza variana ety
Fa ny tany fandalovana
Aza variana mankafy
F'ianao mitafy fahalovana

Ka tsy maintsy ho faty
Dia ataonao aiza ny fanahy?
Fa rehefa migadona ny daty
Ianao ho any ambany rangolahy

Ka aza variana re
Meteza ho resy lahatra
Aza dia mirehareha
F'ianao mbola matanjaka
--------
Rohy:
1038 1
Mpakafy: famoha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daniel.R
Nampiditra : daniel.r
Daty : 23/03/2017 13:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152