FANDROSOANA (Daniel.R)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Firenena an-dàlam-padrosoana
Raha i Madagasikara
Gejain'ny fanatontoloana
Ka very ireo zavatra tsara


Ny fihavanana nohamamiana
Indrisy injay fa levona
Hatramin'ilay firaisankiana
Nariana fa harafesina


Ilay soatoavina mba tsara
Nokoloina fatratra
Dia nampizarazara
Fa tsy maharesy lahatra


Ankehitriny mantsy
Ny vola no miteny
Dia asa ny atsy ho atsy
Mety ho adino ny tenin-dreny


Noho ity fandrosoana mihoa-pampana
Izay manajamba ny fanahy
No indrisy nampisampana
Ny làlanao sy ny ahy
--------
Rohy:
1333 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daniel.R
Nampiditra : Poety
Daty : 01/05/2019 09:12
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152