You are here: home > Vetso

lavitra fitiavana ka izao - Daniel.R

lavitra fitiavana
ka izao majokaiky
toa voron-davi-kavana
misioka irery ao anlana taretra

lavitra fitia
ka verivery saina
miodin-kavana avia
misentosento maina

lavitra ny tiana
manembon-tsamirery
manora-binavina
mikalo jerijery

lavitra malala
manora-tononkalo
miredy miantsalala
mirakitr'ainga izay mandalo

lafitra ny silaka fanahy
ka miritsik'eto anjaridaina
sosam-peonkira toa manahy
sao ho voadingana ka angahy

         IR Daniel

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha