You are here: home > Vetso

"NAMANA" - Daniel.R

Tandremo lahy ny namana
Fa tsy menatra ny hamadika
Aza tia manandrakandrana
Fa tsy fantatrao ny ambadika

Ny namana matetika
No mampanao ny tsy fanao
Tsy misaina afa-tsy ny handetika
Handrava ary koa hanimba anao

Ny namana razoky
Tsy azo hianteherana
Tsy fanao koa ny mitoky
Mba diniho sao hanenenana

Ny namana ry akama
Tsy hita hisarangotana
Maneso anao mazàna
Raha tojo fahasarotana

Raha fintinina izay voambara
Dia aoka izao no ho tadidy
Tsy hoe tsisy namana tsara
Fa mahaiza misafidy

Hametraka hevitra

Midira aloha