You are here: home > Vetso

DIA HOE FILOHA!? - FahNamby



DIA HOE FILOHA...!?

Firy taona nitoerana teo,
Nefa aiza 'zay zavatra vita?
Ny vahoaka manomboka leo
Fivoharana 'ty toa tsy hita.

Vidim_bary midangana lava
Vidin_tsolika miakatra ambony.
'Reto Gasy mitanĂ ka vava,
Tsy mahita ho harapaka intsony.

Ny vahoaka manomboka noana,
Ny mpitondra toa miolonolona.
Dia lazaina ho korontana foana
Raha mitaky sy sendra mitolona.

Firenena mitana ny rambony
Mahaontsa sy mahavaky loha.
Mampijaly ny Gasy ny hatambony
Dia izany ve no hatao filoha?

...asakasak'izay mbola hifidy!

saino!
FahNamby_26/12/17

Sokajy : Tanindrazana

Hametraka hevitra

Midira aloha