TSY MATY NY LASA - FahNamby
Azo vakiana?
TSY MATY NY LASA
Ny ngidy navelan'ny lasa
Sarotra alàna ao anaty,
Ka n'inona zava_kinasa
Ny tsiaro tavela tsy maty.
Ny ratra manjary mandoaka
Mangeja ny fo tsy hitony,
Na inona zava_naloaka
Ny fery tsy sitrana intsony.
Ny sisa vao mainka maniry
Na efa vonoina impiry.
Mandreraka ny ati_fanahy.
Kanefa na inon_kidona
Na inona zava_tsaroana.
Mbola hijoro sy ho sahy.
FahNamby
08/02/18
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : FahNamby

Nampiditra : rfahendrena
Daty : 05/03/2018
Mpamangy : 1116
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TOLONA...MBOLA TIA
NY POETA
IANAO
MILA MITAKY
AN'I DADA
DADANAO
NY VEHIVAVY
DIA HOE FILOHA!?
MBA ANDRAMO...