MILA MITAKY - FahNamby
Azo vakiana?
MILA MITAKY
Raha mbola afa_miady aho, hitovian'ny zo
Dia raisiko ho adidy sy andraikitra tiana!
Raha azoko foanana koa 'reo taloha
Fanavahan_tsaranga sy fanambaniana.
Dia hiady aho hiady, hitolona mihitsy
Tsy hamela ny marina ho votsotr'izany!
Hanenjika, handavo, tsy hitsitsitsitsy,
Vonona hitsangana sy hijoro hatrany.
Tsy ny volon_koditra akory no inona
Na koa ny harena tsy lany laniana!
Ekena fa misy ny olo_nambinina
Fa, tsy voavidy vola ny firaisankina.
Misy dia misy ny manandra_tena,
Ao ihany koa 'rony mpiolonolona!
Ka mba hanavotana ity firenena
'Ndeha isika rehetra no hiaraka hitolona.
FahNamby
04/02/18
Sokajy :
Tanindrazana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : FahNamby

Nampiditra : rfahendrena
Daty : 05/03/2018
Mpamangy : 648
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TOLONA...MBOLA TIA
NY POETA
IANAO
TSY MATY NY LASA
AN'I DADA
DADANAO
NY VEHIVAVY
DIA HOE FILOHA!?
MBA ANDRAMO...