You are here: home > Vetso

FIRIFIRY - FahNamby


FIRIFIRY...?

Mba Malagasy firy no tena sahy milaza fa tia ny Tanindrazany
Dia firifiry koa 'reo sarintsarin-gasy mikaroka ny lazany?
Mba aiza dia mba firy ny tena Malagasy mitetika hampivoatra,
Dia firifiry moa ny Tompon_tanindrazana matetika mitroatra?

Firy 'zao ny Gasy no efa manadino ny mombamomban_taniny,
Kanefa tahaka ny inona ny haren'i Gasikara nalainy sy efa laniny?
Mba Malagasy firy no tena sahy milaza fa izy olo_marina,
Rahoviana no hazava ny zavatra takiana sy zavatra fantarina?

Gasy firifiry no miaina anaty lavaka sy anaty fahantràna,
Firifiry koa ny olona_mandry fotsy amin'ny alina mazàna?
Kanefa re mba firy ny olo_miran_tsaina sy manana fiadanana
Fa dia nankaiza loatra ilay firaisankiana sy tena fihavanana?

saino!
FahNamby
2017

Sokajy : Tanindrazana

Hametraka hevitra

Midira aloha