IMPIRY? (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IMPIRY...?


Impiry aho no voadona...
Raha iny mba nitia?
Impiry koa nohesoina...
Raha sendra miara_dia amin_tovovavy tiako?


Impiry rikoriko
Tamin'ny adalan'ny foko?
Impiry koa ny diako
Nisetra ireo toloko tsy haiko nofafana?


F'impiry norarana
Tsy hiresaka fitia?
D'impiry nodakana
Raha sendra nikodia tamim_pamoizam_po?


Impiry koa no voa,
Raha mitia mangina?
Impiry, impiry moa...
No tsy mba novaliana ny hetahetan_tsaiko?


Impiry koa ny aiko
No efa saika niala?
Impiry no voabaiko...
Handositra malala tsy foiko teto an_tany?


Dia...impiry no tomany
Impiry tsy nitraka?
Eny, impiry izany...
No niezaka nizaka ny tsy eran_jato aiko?
Impiry sombiniaiko?


saino!
FahNamby
Feb 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
739 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 02:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157