You are here: home > Vetso

RAHOVIANA? - FahNamby




RAHOVIANA?


Rahoviana no ho foana
Ny senton'ny fo,
Ka tsy handrotsahana izany tomany?
Rahoviana no ho moana,
Rahoviana tokoa
Izany alahelo ao anatiko 'zany?

Rahoviana no ho rava
Ny tsiahin'ny lasa,
Ka tsy hampanembona intsony ny fo?
Rahoviana no hazava
Ny aizina?-Asa!
Ho foana ao anaty ny lasa taloha?

Rahoviana no hisy
Diavolana indray,
Hanazava ny anaty efa maizina foana?
Rahoviana? Eh!, indrisy
Ny aty aminay,
Vao hisy diavolana mandavan_taona?

Rahoviana no hangina
Ny feon'ny toreo,
Mandrotika loatra ny nofo ho tany?
Eny, rahoviana
Ny zava_miseho,
No ho fifalian'izay mila an'izany?

Rahoviana no ho feno
Fitia ny tontolo,
Handravaka ny alina mandra_maraina?
Rahoviana? Teneno-
Vao hisy mpisolo,
Ireo voninkazo nalazo sy maina?


saino!
FahNamby_19/11/17

Sokajy : Ady, fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : FahNamby


Nampiditra : rfahendrena
Daty : 10/01/2018
Mpamangy : 267
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

TOLONA...
MBOLA TIA
NY POETA
IANAO
MILA MITAKY
TSY MATY NY LASA
AN'I DADA
DADANAO
NY VEHIVAVY
DIA HOE FILOHA!?

Hametraka hevitra

Midira aloha