You are here: home > Vetso

SAROBIDY - FahNamby

SAROBIDY
.
Na aiza aho no hesoina
Dia ianao no efa safidy.
Na ratraina sy vonoina
Dia ianao no sarobidy.
.
N'aiza n'aiza koa alehako
Dia tsy maintsy ianao tadidy.
N'inona n'inona hatrehiko,
Mbola ianao 'lay sarobidy.
.
Na hiaretako ny mafy
Na hisotroko ny mangidy,
D'efa vonona aho hihafy
Fa ianao dia sarobidy.
.
Na handalo sedra maro
Sy hoe tsy afaka mifidy,
Dia izao no mba fantaro,
Mbola ianao no sarobidy.
.
saino!
FahNamby

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : FahNamby


Nampiditra : RFahendrena
Daty : 12/11/2017
Mpamangy : 377
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

TOLONA...
MBOLA TIA
NY POETA
IANAO
MILA MITAKY
TSY MATY NY LASA
AN'I DADA
DADANAO
NY VEHIVAVY
DIA HOE FILOHA!?

Hametraka hevitra

Midira aloha