ANY MISY ANJARA (FANIRY MAMY TANTELY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mandrak'andro fahafiry
ry foko zary tany
ny rojon'alahelo
no hamatotra vinany?

dia hiverina impiry
anaty diarinofy
ny dindona sy avelon'ny
tiana efa nandao
ka hadrongan-drary,rofy
amin'izato nofonao?

tsy tsaroanao angaha
ry foko adaladala
ny tolo-janahary?
va ianao tsy mahalala
fa any ambadika any,
any misy anjara?

ry foko misidina
anaraka ny saiko
dia meteza ianao ho gina
mihitsy ianao aza mibaiko
na manda ny zotra harosony
na dia ny anio maraina fotsiny

meteza ianao hanjeny
eny an'habakabaka eny
ka ny heriny vimbino
ndrao ianao badenin-tsiaro
dia otazo ka mba hano
ny vonim-panadino

asa,
amin'izay angamba kosa
ianao tsy hitaky irony trosa
valim-pitian'ny efa may
sy ny ravina nanintsana
fa hampaniry indray ny hay
fa tsy lavitra ny kintana
zara-java ho anao

meteza foko kely
hanao fangalampiery
anaty rahom-pifaliana
ka hanadino ilay malala
sy ny lositr'olon-tiana
ny tomaninao hialao
fa any misy anjara
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
990 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FANIRY MAMY TANTELY
Nampiditra : mamytantelyfaniry
Daty : 16/08/2018 12:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136