You are here: home > Vetso

FANOHARANA - Fredy Jaofera



FANOHARANA





Toa vorondolo
raha vao tazanina
mikorotam-bolo,
mahavalalanina.




Toa bibilava
mahay mandoka
sady mpandrava
no mpanafoka !




Toa voalavo
mahabe aretina
hita ho nandavo
izay norafetina.




Toa tanavavy
tia miova loko
sy mpamosavy,
hoy re ny foko.





Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 12/10/2018
Mpamangy : 267
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NY VEHIVAVY (2)
MANITSIKA
ANDROANY
TENY
IANAO (2)
EFA FANTATRO
EVINA
LANJAIKO
VODY ANDRO MERIKA
NY RATSY

Hametraka hevitra

Midira aloha