Avy taiza aho ? (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
taiza moa izaho izany ?
toa nanjary nitomany
toa fokofoko mandratra fo
mampiketron'odidoha

avy taiza ary izaho teo ?
toa nanjary farim~peo
ontsan'ny fahoriana
satria nilaozanao ry tiana

very ny fisainako
velona ny tarainako
misoritra ato ny alahelo
lasa ilay mpamerovero

very aho,very fanahy
satria voafitaka tsinahy
tsy nosainiko akory
ka nanjary nampahory

avy taiza ary aho io ?
izay mahay mba valio
nefa aoka tsy handratra fo
fa hamoaka zava~tsoa

avy taiza ary izaho anio
ny asa soratro tadidio
dia ho sambatra ianao
fa ahita fiainam~baovao

avy taiza ary aho ?

HARINIRINA_Eric
--------
Rohy:
1121 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 29/06/2016 21:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148