You are here: home > Vetso

Miara-tsy mila - Ilay Valahara

MIARA-TSY MILA
Ny eto lesy ny foloalindahy
tsy natao hiaro an’ialahy
fa devoly lava  tandroka
mierona hanamatroka
ny marina
tsy hiarina.
        Ny eto anie mivaralila e !
Ny miaramila
Natao ho andry tsy voaozona
Sy tandroka aron’ny vozona
No mifanahin-jiolahimboto
Mifetoka hanoto.
Hatrany ny eto mandry an-driran’antsy
Ry zalahy mihitsy mantsy
No mamatsy basy
Hoan’ireo olon-dratsy.
     Ny olana no asaina alaminy
     Dia ny fitaovam-piadiana no ampindraminy.
Ohatran’izany foana lesy ny eto a :
Miaritra ny hadalan-drasefo.
Izy botrefona amin’ny tsolotra
Fa ny madinika manaiki-molotra
Toa tsy tsapany
Sy tsy fantany


      Eto ny mpitandro filaminana
Tsy natao ho andry fiankinana
Fa biby fampitahorana
Mazoto homana
Ny volam-bahoaka
…tena tsy rariny loatra.

Ilay Valahara

Sokajy : fiainana, Politika

Mombamomba

Mpanoratra : Ilay Valahara

Nampiditra : Ilay Valahara
Daty : 17/07/2017
Mpamangy : 78
Mankafy : 1
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha