Nokasaina (Ilay Valahara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
……………..Nokasaina…………….
Anaka,
Tsy dada akory no faly hampihanta
raha manome anao izao rehetra izao
fa tsy tiako ianao hitsiriritra ny an’ny hafa
kanefa izaho mbola mahavita izay azoko atao.
Aleoko mihitsy izaho no miaritra ny mafy
toy izay ianao no hiafiafy
amin’izay rehetra ilainao.
Tanjoko dia izao :
Tsy maintsy tafita ny zanako
Ka na hiempaka aza ny tanako
dia ho sanatriaviko ny hitaraina
noho ianao ry sombiniaina.
Na mafy aza ny ady,
dia izao no ataoko fanamby :
« Vonona aho hisedra na tanam-bokovoko
na tongo-bakivaky. »
Tsy ho zakako mantsy ny hamerina an-delanao
ny mangidy izay efa nosotroiko.
Tsy ho tantiko mihitsy ny hahita ny tenanao
hisaringo-borodamba maloto.
Fa tsy maintsy ho katsahiko ho anao ny fahasambarana
saingy izao no mba fangatahana :
Ho sasa-poana ihany dada
raha toa ianao tsy hanaja
ireo hafatry neny fony fahavelony.
Tazomy ireo tsiambaratelony,
Tano mafy ny fahendrena
dia ho tanteraka ireo rehetra izay efa nokasaina.
Ilay Valahara
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
707 1
Mpakafy: Ilay Valahara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay Valahara
Nampiditra : Ilay Valahara
Daty : 20/10/2017 06:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146