You are here: home > Vetso

FANTATRO - JNB

Fantatro



Fantatro fa hanome tsiny ahy ianao ry ilay olona iny
Hanozona sy hiantso tody koa ngamba?!
...Noratraiko mantsy ny fonao iny
Nofaranako ny diha,eny nofaranako mantsy ny tantara
Nefa,raha mba fantatrao ny ao an_tsaiko!
Mantsy raha mba fantatrao fa ianao anie ka lalaiko!
Mantsy raha mba fantatrao ny antony nanapahako ny diha...
Kanefa ialako tsiny ry olona iny,tsy hanambara izany aho satria...

Fa izao:
Mirary anao ahita izay anjara ry olona iny
Mantsy ny tsiny fanala
Ka ialako tsiny aminao iny
Miala tsiny aminao ity foko adala



        Jnb

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : JNB

Nampiditra : james01
Daty : 25/09/2017
Mpamangy : 353
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NOFY
Rehefa injao
VERY
Nihondrik'izy
Ny antsika!
Raha mba fantany!
Takariva
Alina indray
Rahoviana ihany?
Lasa

Hametraka hevitra

Midira aloha