Aleo...! (JNB)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy aritro fa hanoratra ho anao aho
tsapako fa izay no azoko atao
hanambara an-tsoratra hatrany
hilaza fa misy fo mitempo ho anao anioany

Manoratra aho fa izay no azoko atao
tsy aiko kobonina anatiko ao
fitia maditra,miredareda aminao
mandoro ahy,ka hoy ny foko hoe lazao

Kanefa ny vavako tsy afaka hanambara
ny foko no nandrara satria voarara
fa...ny taratasy hoy izy no aoka hanambara
hanambara ilay fitia miboiboika tsy tana
--------
Rohy:
Sokajy : aigam-panahy
1184 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JNB
Nampiditra : james01
Daty : 03/02/2018 16:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101