You are here: home > Vetso

HAY MOA! - JNB

HAY MOA!


Kivy aho,malaina sady ketraka,
mananoloana ireto ady,ity etako toa mavesatra,
fa nahoana loatra re no zakaiko izao?
tena leo aho,tena efa lao
ilay masoandro toa dify lalandava,
ny aizim_pito no manjaka sady mandrava
fa inona no tsy mety e?
sa ny tenako mihitsy ve no voahozona e?
kanefa itako fa kay tsy izao irery
fa maro koa ireo mitomany,mahatsiaro irery
tena marina tokoa tokoa
hay...ady ny fiainana moa!!!


       Jnb  

Mombamomba

Mpanoratra : JNB

Nampiditra : james01
Daty : 21/09/2017
Mpamangy : 623
Mankafy : 5
Ankafizo

Tononkalo hafa

NOFY
Rehefa injao
VERY
Nihondrik'izy
Ny antsika!
Raha mba fantany!
Takariva
Alina indray
Rahoviana ihany?
Lasa

Hevitra mandeha

tm (22/09/2017 09:52:06)

na dify aza ny masoandro
rahampitso mbola andro
ka na ratsy aza ny androany
tsy maintsy hiova eo foana ihany

Hametraka hevitra

Midira aloha