Lasa (JNB)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa

Lasa ianao ry saiko
lasa nanidina any ho any
ny zavatra saika hotontosaiko?
lasa noentinao any
fa roviana ianao vao mba tsy hieritreritra an'izany?
ny ankehitriny no andefasana vinany?
na omaly,na androany dia mandalo ihany izany
ianao ry saiko,farany dia ho lasa adala any
fotoana ianao miverina any amin'ny lasa
fotoana ianao ankehitriny
ekeko ny lasa tsy ho voafafa
fa ny ankehitriny koa anefa ane ka manirikiry!
raha mankany amin'ny ho avy nefa ianao!!!
dia tsarovy fa mbola nofy ihany izany
kanefa na inona atao?!
ianao ry vinany dia mankany mankany ihany
--------
Rohy:
1042 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JNB
Nampiditra : james01
Daty : 01/10/2017 14:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141