You are here: home > Vetso

Mba meteza re... - JNB

Mba meteza re...


Voninahitra anie ho anao ry ilay avo indrindra
Ianao ilay mbola mitantana sy mandrindra
Raiso re ny vavaka izay asandratro
Meteza re mba tsy andositra ny tavako
Fantatro fa tsy mendrika anao aho
Satria re na dia mino sy efa nanolo-tena ho anao aza dia manalavitra foana anao ihany ny tenako

Nefa re ny vavaka izay asandratro dia tiako ho porofo fa mila anao aho
Meteza indray ihaino ny fifonako
Meteza foana re ho Tompoko
Aza avela ho very maina ny nanoloranao aina
Eny tompo_tsafidy aho nefa sao hangaina


        Jnb

Mombamomba

Mpanoratra : JNB

Nampiditra : 03314
Daty : 20/09/2017
Mpamangy : 281
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NOFY
Rehefa injao
VERY
Nihondrik'izy
Ny antsika!
Raha mba fantany!
Takariva
Alina indray
Rahoviana ihany?
Lasa

Hametraka hevitra

Midira aloha